Efa misokatra ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezana Mangapaika, amin’ny lalam-pirenena RN4, PK505, nanomboka ny alahady 7 jona teo. Tsy niandry ela, nisy avy hatrany ny asa maika nataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, hiverenan’ny fifamoivoizana amin’ny laoniny. Efa lasa avokoa ireo fiara rehetra voatery nijanona teny an-toerana. Tsiahivina fa ny sabotsy 6 jona teo no nisy fiarabe latsaka tao anaty tetezana, antony nahatonga ny loza. Eo am-panomanana ny hametrahana tetezamby vonjimaika ny minisitera.
Nisy delestazy, fanapahana herinaratra misesy, omaly alina, tao anatin’ny Tambajotra iraisan’ Antananarivo (RIA). Ao anatin’ny fotoana mahabe ny fampiasana herinaratra no nisiany, nanomboka tamin’ny 5 ora sy 30 mn hatramin’ny 8 ora alina. Antony, nisy fahasimbana ny milina, gropy G3, ampiasain’ny AfriPower (Symbion teo aloha) eny Mandroseza. Novinavinaina naharitra adiny 5 ny asa fanarenana.
Hatsaraina ny fiaraha-miasan’ny APMF sy ny orinasam-panjakana SMMC any amin’ny seranan-tsambon’i Vohémar, faritra Sava. Mandrindra ny lafiny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy ny APMF, raha mitantana ny entana tonga sy alefa any ivelany, eny amin’ny seranan-tsambo kosa ny SMMC. Tonga tany an-toerana ny minisitry ny Fitaterana (MTM), Andrianavalona Herizo, ny 5 jona teo, nijery ifotony ny zava-misy. Nambarany koa fa efa eny amin’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna hanatsarana ity sehatra ity, satria efa lany andro.




