Ambohibao – Antehiroka : fatin-dehilahy hita teo am-baravaram-pasana

Hita faty teo am-baravaram-pasana ny lehilahy iray tsy manan-kialofana, omaly, teny Morondava Antehiroka. Notrobarana tamin’ny zava-maranitra ny tendany sy ny lohany.

Nahitana fatin-dehilahy iray, 45 taona, teo am-bavahadim-pasana iray, tetsy amin’ny toerana antsoina hoe Ambohimia­dana, fokontany Morondava, kaominina ambanivohitra An­te­hiroka, distrikan’Ambohi­dratrimo, oma­ly maraina tamin’ny 9 ora tany ho any. Mpo­nina sendra nandalo maraina teny an-toerana no nahatsikaritra zavatra hafahafa ka nampandre ny sefo fokon­ta­ny. Niantso ny mpitandro filaminana ity farany taorian’izay.
Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana avy hatrany ny zandarimaria avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka, vantany vao nahazo antso. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpitsabo avy amin’ny CSB II Am­bohibao nanao ny fizahana ny razana.
Hita nitsilany teo ambony boritra ny razana tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny an-toerana. Mbola hita teny aminy avokoa ny akanjo rehetra nanaovany.
Notsindromina zava- maranitra

Nahitana ratra lalina teo amin’ny ambany saokany havia, heverina ho notsindromina tamin’ny zava-maranitra. Nisy mangana ihany koa ny masony havanana sy ny handriny. Ankoatra izay, nahitana ra nanodinina ny lamosiny, nandritra ny fizahana ny razana. Tombanana ho efa 12 ora ny nahafaty ity lehilahy ity, raha ny fanambaran’ny mpitsabo. Ny fahaverezan-dra be loatra, noho ny ratra nahazo azy, no nitarika ny fahafatesany.
Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa tsy manana toeram-ponenana raikitra ity lehilahy hita faty ity. Ankoatra izay, vono olona mampiahiahy ity nitranga ity. Tsy fantatra mazava ny antony, raha ny fanazavana voaray hatrany. Efa eo am-pelantanan’ny zandary avy ao Antehiroka ny tohin’ny raharaha, mba ha­mantarana ny nahavanon-doza sy tompon’antoka ta­min’ny vono olona. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fizahana sy ny fanadihadiana nataon’ny tomponandraikitra.

Mino

Partager sur: