Fifanintsanana lalao Olympika 2028: Tafita ny Barea Ladies, miandry azy ireo i Afrika Atsimo

Mitohy ny dia ho an’ny ekipam-pirenena Barea, sokajy vehivavy, amin’ity fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika 2028 ity. Resin’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0, ny ekipa nasionalin’i Soudan Atsimo.

«Tafakatra e…!» Manohy ny diany amin’ny fifanin­tsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olym­pi­ka 2028, hatao any Los Angeles Etazo­nia, ny ekipam-pire­nena malagasy Barea Ladies. Lavon’izy ireo, tamin’ny
isa 1 no ho 0, ny vehivavy mpilalao sodaney atsimo, omaly, tany Juba, Soudan Atsimo.
Raha hiverenana ny fifanandrinana, somary sahirana teo amin’ny fampidiram-baolina ny andaniny sy ny ankilany nandritra fizaram-potoana voalohany. Ady sahala, 0 no ho 0, no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Teo amin’ny fidirana faharoa, niezaka nanafika ny sodaney, saingy, nanantombo amin’ny resaka taktika sy fiarovan-tena ny Malagasy. Tany amin’ny minitra faha-93, nahatafiditra baolina tokana ho an’ny Mala­gasy, i Soloniaina Julie, rehefa nahazo tolotra tsara avy amin-dRazananivo Solo­mampionona. Ity farany izay avy namitaka vodilaharana telo.
Miandry azy ireo i Afrika Atsimo
Ny Banyana Banyana Afri­ka Atsimo no miandry ny ekipam-pirenena malagasy, ny volana oktobra ho avy izao. Somary ambany ihany ny herijika raha ampitahana amin’ireto afrikanina tatsimo ireto. Raha ny fikarohana natao, firenena efa voky traikefa sy efa niatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany 2023 izy ireo. Efa tompondakan’ny Can 2022 ihany koa. Ny mifanohitra amin’izay kosa ny an’i Madagasikara. Mpilalao tsy ampy lalao no hita, saika mandrafitra ny ekipa nasionaly, noho ny tsy fanombohan’ny fifaninanam-pirenena eto an-toerana, hatramin’izao. Misy sy mijoro ara-dalàna, nefa, ny kaomisionina misahana ny baolina kitra, sokajy vehivavy, ao amin’ny Federasioni­na malagasin’ny baolina kitra (FMF).

Fitia Randria

Partager sur: