Kick Boxing-Afrika:  Anaty fanomanana tanteraka ny atleta malagasy

Niaraka niombom-bavaka teny amin’ny Ekar Ankadievo Miaramino, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja kick boxing, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika,  ha­tao any Kameronina,  manomboka ny 21 jona izao. Ny Maître Rasoanaivo André Kelly no tompon-kevitra sy nitarika azy ireo,  miaraka amin’ireo Maitre mandrafitra ny kaomisionina teknika manomana ireo atleta ireo,  notarihan’ny Tale teknika nasionaly.
12 mianadahy ireo hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika ity ary hisy mpanazatra roa hiaraka amin’izy ireo. Manana fahaiza-manao avo lenta avokoa ireto solontena ireto ka antenaina ny hahazoana vokatra tsara,  araka ny fanazavan’ny DTN. Tsy mbola fantatra, hatreto, ny andro hiaingan’ny delegasionina malagasy. Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ireto atleta malagasy ireto amin’izao ary mafy izany, araka ny nambaran’ny kapiteny Machy,  sokajy latsaky ny 65 kg, Low kick.
Nanamafy izany ihany koa ny kapiteny, eo amin’ny sokajy lehilahy, i Joel, fa vonona izy ireo haka fandresena. Manomana mafy daholo ny ekipa rehetra, hoy izy. Tanjo­na ho azy ireo ny handrombaka ny medaly volamena.

Mi.Raz

Partager sur: