Manodidina ny volana jolay eo ny fandalovan’ireo trozona aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Any amin’ny Nosy Sainte Marie no tena mahita maro azy ireo, isan-taona, ka amin’izay koa no mahabe ny mpizahatany. Ho fanomezana tosika izay fahatongavan’ny vahiny izay indrindra no nanaovana ny « Festival des baleines ». Hatao ny 11 hatramin’ny 19 jolay izao ny andiany faha-9 amin’ity hetsika mampiavaka ny Nosy sainte Marie ity.
“Hivelatra amina sehatra telo, dia ny fampiroboroboana ny fizahantany, ny fanomezan-danja ny haren’ny faritra ary indrindra ny fanandratana ny kolontsaina izany. Ny kolontsaina izay fanoitra sy tosika ho an’ny fizahantany, ka hampiakatra ny fihariana sy ny toekarena », hoy ny fanazavana nentin’ny mpikarakara, nandritra ny fampahafantarana tetsy amin’ny foiben’ny Yas Andraharo, omaly. Toy ny isan-taona, hisy ny seho ara-javakanto sy fanentanana isan-karazany mandritra ireo andro ireo. Ny fifidianana “miss” sy “mister”, ny fampisehoana “cirque”, ny dihy an-tanàn-dehibe, sns, no manampy ny seho goavana.
Amin’ny maha “festival” azy, mpisehatra maro no miara-mifarimbona amin’ny fanatontosana. Ankoatra ireo tolotra ho an’ny mpizahatany, malagasy sy vahiny, hisy koa ny fanentanana amin’ny fiarovana ny tontolo ivelaran’ireo trozona, ny fampahafantarana ireo toerana manan-tantara marobe ao Sainte Marie ary ny fifaninanana ara-panatanjahantena isan-tsokajiny.
Zo ny Aina




