Lasa nanohy ny fianarany any ivelan’i Madagasikara i Voara, fantatry ny maro amin’ny fananana ilay feo manga sy avo ary feno angola. Iray amin’ireo mandrafitra ny tarika Fangia Kalo Gasy izy. “Tsy midika ho fitsaharan’ny tarika amin’ny fivoizana ny kalon’ Imerina akory izany”, hoy i Fifi, rain’i Voara sady miantsoroka ny lafiny famoronan-kira, fitendrena ary ny fandrindrana amin’ny ankapobeny ny tarika. Nohamafisiny fa : « ny fandehanan’i Voara any am-pitan-dranomasina, vao mainka nanosika bebe kokoa ireo mpikambana eo anivon’ny tarika handalina hatrany ny tontolon’ny fikirakirana ny mozika”.
Nomarihin’i Fifi hatrany fa mbola manohy ny mozika, toy ny fitendrena ny marovany sy ny gitara i Voara any dilambato. Ankilany, mitohy hatrany ny dian’ny tarika Fangia Kalo Gasy ho amin’ny fanandratana ny mozika malagasy mampiavaka an’Imerina. Misy rahateo ireo fiakarana an-tsehatra tsy tapaka ataon’izy ireo amin’ny endriny ankehitriny.
Feon-javamaneno kanto, haingon’ny dobok’amponga tsara rindra, ravahin’ny angolam-peo tsy misy tomika. Miampy tononkira tsara rafitra mampita hafatra, ahafahana mitodika ny lasa, miatrika ny ankehitriny ary mibanjina ny hoavy izany. Ireo no mandrafitra ilay kalon’Imerina voizin’ny tarika Fangia Kalo Gasy.
HaRy Razafindrakoto




