Fampianarana ambony : Narindra ny tohana entin’ny mpiray ombon’antoka

Nanatanteraka atrikasa ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, omaly, teny Fiadanana. Nentina nandrindra ny tohana entin’ireo mpiara-miasa izany.

Nandray anjara avokoa ny oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ny IST telo, miaraka amin’ny masoivoho maro, ireo tomponandraikitry ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, toy ny Pnud, AUF, AFD… « Tanjona ny handrindrana ny fiaraha-miasa, hitondra vokatra hita maso ka tsy hifanitsaka ny asa tanterahina », hoy ny tale jeneralin’ny Fampianarana ambony, Raherinirina Angelo. Manana tetikasa lehibe hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ny minisitera. Iray ao anatin’izany ny fanohanana ny minisitera amin’ny fitantanana ny mpiray ombon’ antoka. Tafiditra ao ity atrikasa natao teny Fiadanana ity.
Antoka ahafahana mana­tsara ny fampianarana ambony ny fisian’izy ireny, mandrindra sy mampivelatra ny fifandraisana iraisam-pirenena sy amin’ireo sehatra tsy miankina. Afaka manampy ny fampianarana ambony, izay andraikitry ny minisitera mpiahy. Ampirisihina bebe kokoa hifanatona ny mpiray ombon’antoka sy ny oniversite 17 manerana ny Nosy, ahafahana mandrindra ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany sy eto an-toerana, araka ny fanazavan’ny tale misahana ny fiaraha-miasa sy ny fandrindrana ny fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny minisitera, i Zafinjaka Tovoherinavalona.
Misy oniversitem-paritra manakaiky vahoaka vao najoro ka nentanina ireo mpiray ombon’antoka hanohana azy ireny. Misy rahateo ireo efa namaly ny antso. Ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanamorana ny fidiran’ny mpianatra amin’ny tsenan’ny asa ary ny fikarakarana ny fotodrafitrasa momba ny fiainan’ny mpianatra no iompanan’ny fanohanan’izy ireo.

Vonjy

Partager sur: