Azo hatao zezika ny Solfata amonioma (SA) avy amin’ny akora fanodinana ny nikela sy
kobalta vokarin’ny orinasa Ambatovy. Sambany ny hampiasana izany, ankehitriny, entina hanatsarana sady hampiakarana ny vokatry ny tantsaha.
Natao, omaly, tany Morarano Chrome, ny fanoloran’ny orinasa Ambatovy ny zezika Solfata amonioma (SA), azo avy amin’ny fanodinana ny nikela sy ny kobalta. Milanja 500 taonina ny zezika SA efa vonona. Ka hozaraina ho an’ny tantsaha, mamboly ao amin’ny le maka PC 23 any Ambatondrazaka, ny 238 t, ankoatra ny 180,5 t efa nalefa aty Antananarivo. Natolotr’Ambatovy ny Sampandraharaha japoney ho an’ny fampandrosoana Jica, ao anatin’ny fandaharanasa Papriz ireo zezika ireo. Ity farany indray no manolotra izany ny ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ary haparitaka any amin’ny faritra miisa 11.
Mahatratra 10.000 ha ny velarana tanimbary ao amin’ ny PC 23 any Alaotra.
Araka ny vinavinan’ny Minae, tombanana hiakatra hatrany amin’ny 2.380 taonina ny voka-bary noho ny fampiasana ity zezika Solfata amonioma avy amin’ny orinasa Ambatovy ity.
Tafakatra 5-8t/ha
ny vokatra
Nilaza ny filoha lefitry ny orinasa Ambatovy, Philipe Beaulne, fa orinasa malagasy ny Ambatovy, eto amintsika daholo no ahodina ny akora, koa rariny raha manohana nv fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena izy ireo. Sady fandraisana anjara amin’ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Misy ny fenitra sy fepetra arahina amin’ny fampiasana ny zezika SA, efa nanaovana andrana niarahana tamin’ny teknisiana malagasy.
Manamasaka sy mandonaka ny tany ny fampiasana zezika SA, satria misy ny singa souffre ao aminy. Mihena antsasany ny fandaniana rehefa mampiasa azy. Hofanina ara-teknika ny tantsaha amin’ny fampiasana azy, ampiarahana ny teknika Papriz. Mahatratra 5 hatramin’ny 8 t/ha ny voka-bary amin’izany, raha 2 hatramin’ny 3t/ha hatramin’izay.
Natao. omaly ny fanolorana ireo tany Morarano Chrome Ambatondrazaka, notarihin’ ny filoha Rajoelina. Nambarany fa hozaraina maimaimpoana na amidy amin’ny vidiny mirary, 1500Ar ny kilaon’ ny zezika SA, raha 5.000 Ar ny eny an-tsena izao.
Ankoatra izany, nanolotra fanampiana, vary milanja 17,5 t, sy zavatra ilaina andavanandro (koveta, vilany, akanjo, sns) ho an’ny traboina vokatry ny rivodoza Cheneso koa ny tenany. Nomena moto tsirairay avy koa ireo ben’ny Tanana miisa 39.
Njaka Andriantefiarinesy
Ireo faritra 11 hanapariahana ny zezika SA: Alaotra Mangoro, Anala-manga, Atsinanana, Analanjirofo, Vakinankaratra, Itasy, Bongolava, Menabe, Boeny, Amoron’i Mania, Betsiboka.