Notolorana « Airport Carbon Accreditation» (ACA), sokajy 1, ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be, tantanan’ny Ravinala Airports. Ny ACI Eoropa nametraka io fepetra ACA io ho an’ny fitantanana seranam-piaramanidina tsy hampihanaka ny “carbone”. Homena fepetra mitovy ny seranam-piaramanidina rehetra, ka ny tanjona ny hahafahana mandrefy ny “carbone” mivoaka.
Natolotra ny Ravinala Airports io ACA io, nandray izany ny tompon’andraikitra momba ny tontolo iainana sy ny loza mety hitranga, Razafimahatratra Marius, sy ireo mpiara-miasa aminy. Voninahitra ho an’ny firenena sy ny Ravinala Airports ny nahazo izany fankatoavana izany, satria voalohany eto Madagasikara nomena izany ny seranam-piaramanidina Antananarivo sy Nosy Be.
Mifanaraka amin’ny tanjon’ny Ravinala Airports izao fankatoavana azy izao, ho fitaratra sy lohany amin’ny fitantanana seranam-piaramanidina aty amin’ny ranomasimbe Indianina alohan’ny taona 2025 sy andraikitra noraisiny amin’ny alalan’ny RSE* ho fitandroana ny tontolo iainana.
Mitantana ireo seranam-piaramanidina roa ireo ny Ravinala Airports, izay tsy mitsahatra mivoatra eo amin’ ny lafiny fiarovana, fanajariana, tontolo iainana, fanatsarana ny tolotra ho an’ireo mpandeha, araka ny fepetra iraisam-pirenena eo amin’ny fiaingana sy fahatongavana.
Ndrina
RSE* : Responsabilité sociétale des entreprises