Maromaro ny lohahevitra noresahan’ny filoha Rajoelina nandritra ny diany tany Morarano Chrome, Ambatondrazaka, omaly. Notsipihiny fa tsy maintsy miainga amin’ny fambolena raha handresy ny fahantrana. Mila hampitomboana ny velaran-tany ho volena, ka izay no mahatonga ny fanomezana ny kara-tany. Ilaina koa ny fampiasana zezika hampiakarana ny vokatra, toy ny vary. Anisan’ny vahaolana ny zezika simika toy izao fanomezan’ny orinasa Ambatovy izao.
Hiakatra 5 hatramin’ny 8 t isaky ny hekitara ny vokatra, ka hiampy 1.000.000 taonina ny vokatra. Nefa manodidina ny 500.000 t ny vary nafarana avy any ivelany, tamin’ny taon-dasa. Koa, tsy tokony hanafatra vary intsony isika rehefa tratra izany tanjona izany.
Lalana, sekoly,…
Ankoatra izany, nohamafisin’ny filoha Rajoelina fa tsy maintsy tanteraka ny toky nomeny, toy ny arabe migodàna (autoroute). Raha ny any Alaotra Mangoro, ho tokanana tsy ho ela ny lalam-pirenena RN 44, ny kianja manaram-penitra ao Ambatondrazaka. Efa mandeha ny fananganana ny oniversite. Nomarihiny koa fa ha-nanganana fotodrafitrasa (sekoly, tranompokonolona,…) manaraka ny fenitra ny haba sy ny tamberim-bidy azo avy amin’ny orinasa Ambatovy.
Efa misy ny taotrano iombonana mikasika ny endriny sy ny firafiny. Hamboarina koa ny lalana tena ratsy amin’ ny lalam-pirenena RN3A, Ambatondrazaka-Vohitraivo (Ampitandrefana). Hampitomboana ny isan’ny fianakaviana misitraka ny vola ao anatin’ny Vatsin’ankohonana. Nentanin’ny filoha ny fikambanam-behivavy hamorona tetikasa, ka hotohanan’ny fanjakana ara-bola na izy mivady. Mikasika ny asan-jiolahy amin’ ny fakana takalon’aina, nilaza ny filoha fa efa misy ny paikady maty paika hiadiana amin’ izany.
Njaka A.