Niray dinika tamin’ny minisitry ny Fiompiana sy ny fambolena, Harifidy Ramilison ny masoivohon’i Afrika Atsimo, Sem Sisa Ngombane, afakomaly. Navoitra nandritra ny fihaon’ny roa tonta ny fomba entina hanatsarana ny seha-pambolena sy ny fiompiana eto an-toerana. Anisan’ ny hitondra ny anjara birikiny amin’izany ny eo anivon’ny firenena afrikanina tatsimo. Raha tsihivina, misedra olana eo amin’ny lafiny famokarana ny tantsaha eto an-toerana. Misy ireo toerana manana vokatra maro saingy saro-dalana ka potika sy atao varo-mora ireo vokatra. Ankilany, maniry hamokatra manaraka ny ara-dalàna ny tantsaha any amin’ny faritra sasantsasany kanefa vitsy ny fiofanana sy ny fanentanana tonga any amin’izy ireny.
Tsiferana R.