Notokanana omaly, teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny radiotélescope voalohany eto Madagasikara.
«Fitaovana hijerena ny kintana sy ny habakabaka ary ny zavatra rehetra eny ambony tsy taka-maso» ny ilaina ny teknolojia sy ny siansa ary ny haivao satria mampiasa algorithme sy computer (ordinatera) ny mpikaroka hikirakirana ny angon-drakotra azo rehetra. Ny oniversite no toerana iray mitarika ny fivoarana siantifika, indrindra amin’izao fandrosoan’ny teknolojia sy ny firoboroboan’ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) izao. Misy ifandraisany amin’izay ny télescope, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny lalam-piofanana Astrophysique – Astronomie, ao amin’ny Mention Physique, eo anivon’ny fakiolten’ny Siansa, profesora Randriamampandry Solohery. Ahitana sampana folo ny Mention Physique ka iray amin’ireo ny astrophysique-astronomie. Tanora valo isan-taona no manaraka ity lalam-piofanana ity. Maka angona avy amin’ny télescope sy mikirakira izany ireo mpiofana. Mamoaka izany ho “article” siantifika aorian’ny fikarohana ataony.
Hampiasain’ny mpianatra, Malagasy, ny fitaovana vaovao ka ireo misehatra amin’ny taranja STEM (Science, technologie, ingénierie et mathématiques) no hahazo tombontsoa voalohany amin’izany. Natokana hanofanana ny tanora hanana ny fahaiza-manao momba ny teknolojia izy io.
Azo ampiasaina hakana sary avy amin’ny zanabolana ho an’ny sehatra maro ny télescope.
Fanomezana noho ny fiaraha-miasa amin’i Afrika Atsimo sy Nouvelle Zelande no nahazoantsika azy ary mifandray amin’ny télescope any Maorisy, Afrika Atsimo ilay napetraka eto Antananarivo. Nanomboka ny taona 2004 no efa niara-niasa tamin’i Afrika Atsimo ny lalam-piofanana Astrophysique, eo amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Izao niafara tamin’ny fampitaovana hampiroboroboana ny siansa sy ny teknolojia ary ny haivao izao.
Ankoatra ny fitokanana ny fitaovana vaovao, misy koa atrikasa siantifika ahitana mpandray anjara avy any Nouvelle Zélande, Afrika Atsimo, Etazonia. Hifanakalo traikefa sy fahalalana amin’ny Malagasy mpampianatra sy mpianatra mandritra ny hateloana izy ireo.
Vonjy




