Olona varira : Diabe ho an’ny fandriampahalemana

Hanatanteraka « Diaben’ny fandriampahalemana », hanentanana ny olom-pirenena rehetra ny fikambanan’ny olona manana toe-tena varira, ny sabotsy izao. Hiainga eo amin’ny Kianjan’ny Barea, hihazo ny Kianjan’ny Hira gasy Ampefiloha, izany dia izany, hanomboka amin’ny 10 ora maraina.
Hisy ny varavarana misokatra handraisana ny hevitry ny olom-pirenena rehetra momba ny fiarovana ireo olona manana toe-tena varira sy ny paikady hahafantarana ny olona ambony atidoha amin’ny famonoana olona varira hotanterahina amin’izany. Akanjo fotsy no hanaovana ho fiarahana miombom-po sy miray hina amin’izy ireo, izay iharan’ny famonoana feno habibiana sy miaina amin’ny tahotra sy tebiteby andro aman’alina, indrindra ataon’ny mpamono olona tsinontsinona ny ainy.
Efa am-polony ireo varira novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina ary tsy mbola naseho ireo olona nahavanon-doza tamin’izany hatramin’izao. Mbola manao fandrahonana ny fianakaviana sy mirehareha fa manana olona ambony mpiaro azy aza.

Tatiana A

Partager sur: