Baolina kitra – «Mondial 2026» : Lalao 44 hivantana amin’ny fahitalavi-pirenena

Hifantoka any Etats-Unis sy Mexique ary Canada ny sain’ny maro, indrindra ny mpankafy baolina kitra, manomboka amin’ity alakamisy ity. Mandritra ny iray volana, hiaina ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026», izao tontolo izao. Tsy ho tompon-trano mihono ny Malagasy fa hahita fihaonana mivantana miisa 44.

Hiaina ao anatin’ny fetin’ny baolina kitra «Mon­dial 2026» izao tontolo izao, manomboka anio alakamisy 11 jona ka hatramin’ny 19 jolay 2026. Fihaonana hotanterahina any Etats-Unis sy Mexique ary Canada. Anisan’ireo firenena hiaina izany ny eto Madagasikara ka hahita lalao mivantana miisa 44 amin’ireo 104. Nampa­ha­fantarina tetsy amin’ny foiben’ny Canal Plus Madagascar tetsy Andraharo, izany omaly. Fiaraha-miasa eo amin’ny ORTM sy ny Canal Plus ary ny fanjakana foibe ny nahafahana nahazo izany, araka ny nambaran’i Christophe Des­saints, tale jeneralin’ny Canal Plus Madagascar. Ny fahitalavi-pirenena (TVM) irery ihany no hany nahazo alalàna avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa) mandefa ireo lalao ireo. Hisantatra izany, anio, ny lanonam-panokafana sy ny lalao voalohany hikatrohan’i Mexique sy i Afrika Atsimo. Ankoatra ireo fihaonana fifanintsanana, ha­hita ireo ampahefa-dalana miisa efatra sy manasa-dalana roa ary ny fiadian-toerana sy ny famaranana, miampy ny lanonana fanolorana ny am­boara, ny eto Madagasikara.
Nambaran’i Lemana Eli­sée, talen’ny ORTM fa anisan’ireo firenena nahazo ny sary mivantana be indrindra i Madagasikara. Na izany aza, tsy ny Malagasy no misafidy ny lalao tiany ho jerena fa izay alefan’ny Fifa ihany. Hame­trahana toerana “Fan zone”, misy fahitalavitra lehibe ny faritra rehetra eto Madaga­sikara hahazoan’ny rehetra manaraka ny lalao. Hotan­taraina mivantana amin’ny onjampeom-pirenena (RNM) ihany koa ireo lalao 44.
Ankoatra izay, nampahafantarin’ny talen’ny Canal Plus ireo tolotra vaovao ao aminy, mifantoka amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena “Mala­gasy M’fety”.

Tompondaka

Partager sur: