Taranja Parkour : Top 10 maneran-tany i Fitsikiana

Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy  niatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany,  taranja Parkour,  natao tany Instabul, Turquie,  ny herinandro lasa teo. Tafiditra anatin’ny 10 voalohany mendrika indrindra, teo amin’ny Freestyle sy Speedrun, ny Malagasy vavitokana, i Fitsikiana,  nandritra ity fifaninanana ity. Tsy ambakan’izany ihany koa i Dinah, izay tafakatra hatramin’ny ampahavalon-dalana. Eo koa i Myo sy i Sahidah izay nampiseho ny talentany,  na vao sambany aza ireto farany no nandray anjara tamin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany toy izao. Marika fa manana ny maha izy azy ny Malagasy mpanao Parkour, amin’izao vokatra izao. Na izany aza, lesona azo tsoahina ny tsy mbola fahampian’ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fifaninanam-pirenena, izay mila ampitomboina.  Tsiahivina anefa fa tsy vao izao no nandray anjara tamin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany i Madagasikara. Manohana hatrany ireo atleta mikatroka ity Parkour ity, ny Federasionina malagasin’ny Gymnastique.

Mi.Raz

Partager sur: