Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny ankizivavy 12 taona, tany Masindray Atsinanana, kaominina Fihaonana. Nandeha ianatra izy ny talata maraina, hita faty voatsindrona antsy teo amin’ny tendany ny ampitso atoandro.
Hita faty tao Antamponitsara, fokontany Masindray Atsinanana, kaominina Ambanivohitra Fihaonana, distrikan’Ankazobe, ny alarobia 10 jona 2026, ny ankizivavy 12 taona antsoina hoe: Fiderana Finiavana. Olona nandalo maraina teny an-toerana no nahatsikaritra ny zava-nisy. Nampandre ny sefo fokontany sy ny kaomandin’ny Tobim-paritra Fihaonana izy.
Nidina ifotony, nanao ny fanadihadiana avy hatrany izy ireo sy ny mpitsabo.
Somary natao tao ambany rantsankazo madinika ny razana mba tsy hisy hahatsikaritra. Efa voahitsakitsaka ny toerana manodidina. Ahina ho novonoin’olona ilay zazavavy, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB II Fihaonana. Nahitana tataka lehibe sy lalina miisa roa teo amin’ny tendany. Tombanana ho notsindromina tamin’ny antsy. Nahitana ra betsaka nanodidina ny razana.
Nandeha nianatra tao amin’ny EPP Atambohobe izy ny talata. Tokony ho nirava tamin’ ny 12 ora sy 30 minitra atoandro izy nefa tsy niverina nody intsony, raha ny fanazavana voaray. Nanomboka ny fikarohana azy nefa tsy nahitam-bokany raha tsy ny ampitso. Hatreto, tsy mbola misy ny ahiahiana sy ny antony namonoana azy.
Vehivavy nafatotra
Ankoatra ity fatin-jazavavy ity, tovovavy 23 taona koa hita faty voatsindron’antsy tany Ambohimarina, fokontany Marokobobo, kaominina Manjaka Avaradrano, afakomaly. Natsipy sy nafenina tao anaty hadivory ny razana. Olona namonjy fodiana avy nisoroka fako no nahita zavatra hafahafa ka nampandre ny mponina.
Tonga nanao ny fanadihadiana ny zandary avy amin’ny zana-tobim-paritra Merimandroso. Nafatotra tongotra sy tanana avy any an-damosina ilay lasibatra. Nahitana tsatoka antsy teo amin’ny fony, tataka ihany koa teo amin’ny tendany. Natolotra ny fokonolona ho halevina ny razana taorian’ny fanadihadiana.
Mino




