Nosamborin’ny mpitandro filaminana tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray ao Ampefy ny sinoa am-polony, faritra Itasy, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 11 jona teo. Notanana atao famotorana ireo teratany vahiny ireo noho ny tsy fananany taratasy mazava ahafahana miditra eto Madagasikara. Niditra antsokosoko teto an-toerana izy ireo, araka ny loharanom-baovao. Niroso tamin’ny fampanarahan-dalàna, araka izany, ny mpitandro filaminana ary andrasana ny voka-panadihadiana ataon’izy ireo momba ireo sinoa ireo. Marihina fa maro ireo teratany vahiny hita mifamezivezy eto an-toerana, tao anatin’ny volana vitsy lasa. Sinoa maromaro voasambotra tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy, ny fiantombohan’ny herinandro teo, noho ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna.
Tsiferana R.




