Covid-19: fanararaotana hanaovam-baksiny ny fotoana mampilamina ny aretina

Zara raha misy ny trangana Covid-19 amin’izao fotoana, raha ny salanisa navoakan’ny minisitera tao anatin’ny volana maromaro nisesy. Fotoana fanararaotana hanaovam-baksiny mihitsy izao dieny salama sy tsy misy valanaretina…

Tao anatin’ny telo taona nisesy, voamarina fa nidina be ny tahan’ny fahavitrihan’ny olona tonga manao vaksiny manerana ny Nosy, raha ny fanazavana nen­tin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fandaharanasa momba ny vaksiny (DPEV) etsy Befelatanana.
Ho an’ny vaksiny mahazatra fanao amin’ny zaza sy ny reny bevohoka dia anisan’ny antony ny fihibohana maharitra izay tsy nahafahan’izy ireo nivezivezy nanatona tobim-pahasalamana.
Mikasika ny vaksiny miaro amin’ny Covid-19 kosa, maro loatra ny fisalasalana sy ny tsaho mikasika ny vaksiny ka tsy mampazoto ny olona manao azy.
Raha ny vina napetraka dia tokony ho vita vaksiny avokoa ny 50% n’ireo olona maherin’ny 18 taona mane­rana ny Nosy hatramin’ny volana jona amin’ity taona ity. Mbola vao 7,38% anefa ireo nahavita tanteraka ny vaksiny ka ampy daozy tsara. 8,76% kosa ireo nanao vaksiny saingy tsy mbola nahafeno ny daozy ilaina.
Mitaky ezaka ny fanentanana ny olona hanao vaksiny iarovana amin’ny aretina Covid-19. Nanazava ny talen’ ny serasera eo anivon’ny mi­nisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, fa “fotoana izao hanaovana ny vaksiny satria milamindamina ny fiparita­han’ny aretina ka hararaotina mihitsy ny fanaovam-baksiny dieny salama”.

Manara-penitra ny fitehirizana

Nasehon’ny tompon’andraikitra omaly ihany koa fa manara-penitra ny fitehirizam-baksiny miainga any amin’ny fanafarana azy hatrany amin’ny CSB hanapari­tahana azy. Arifomba ny vata fampangatsiahana ary efa voafantina sy nafarana manokana, manaraka ny fenitry ny OMS izany. Mandeha amin’ ny herin’ny masoandro ny vata fitehirizana izany any amin’ireo CSB tsy misy herinaratra. Afaka mitahiry ary azo antoka ny fepetra rehetra tsy maintsy arahina. Manana ny tahirim-baksiny Janssen sy Sinopharm i Madagasikara hahafahana manao ny daozy boot mba hanamafisana ny hery fiarovana amin’ny Covid-19. Manana ny vata fampangatsiahana afaka mitahiry ny vaksiny Pfizer manana ny hatsiaka -80°C ihany koa ny DPEV. Nanamarika ny tompon’andraikitra fa hisokatra atsy ho atsy ny toby fitehirizam-baksiny vaovao eny Ivato izay lehibe sy midadasika ary arifomba tanteraka.

Tatiana A

Partager sur: