Taorian’izay volana maromaro niresahana fa hatao bozaka safiotra “hybrides” ny Kianja Barea Mahamasina izay, tsy nahenoina resaka intsony ny tohin’ny asa fanamboarana.
“Hampiantrano ny lalao fifanintsanana Can ihany ve ny kianja Barea?” Io ny fanontaniana ao an-tsain’ny mpankafy maro amin’izao fotoana. Ny 21 septambra – 6 oktobra ary ny 9-17 novambra, lalao roa tokony hampiantranoina, izay hihaonan’ny ekipam-pirenena malagasy amin’i Tanzanie sy Guinea Bissau. Tsy mbola manana kianja hankatoavin’ny Caf nefa i Madagasikara.
Raha ny zava-misy ankehitriny no jerena, ahina ny tsy handraisana izany eto an-toerana. Hatramin’ny nanoratana omaly mantsy, tsy nahenoina resaka ny tohin’ny asa fanamboarana ny bozaka ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Tsiahivina fa ny volana mey lasa teo, efa neken’ny filankevitry ny minisitra ny hanaovana ny bozaka an’ity kianja ity ho lasa “hybrides”. Horaisin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, raha ny voalazan’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré, ny fandaniana amin’izany, ary haharitra enim-bolana eo ny asa.
Efa tany amin’ny volana avrily 2024 no tsy nahazo fankatoavana amin’ny Kaonfederasionina afrikanina baolina kitra, io kianja io. Andrasana hatrany moa ny tohin’ity raharaha ity ary hirariana ny mba hiverenan’ny ekipam-pirenena hiaro ny voninahitr’i Madagasikara eo an-jaridainany.
Fitia Randria




