Mondial 2026 : Hisy lalao «pronostic Woco” iarahana amin’ny Star

Efa miaina tanteraka ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra, “Mondial 2026”, ny rehetra amin’izao fotoana izao. Manoloana iza­ny, manomana lalao roa ny World Cola (Woco) sy ny orinasa Star, amin’ny alalan’ireo vokatra vaovao vokariny. Nampahafantarina teny An­dra­nobevava izany, ny alarobia lasa teo. Ho hita amin’ireo tavoahangy fasiana Coca-cola ny sary famantarana ireo ekipa 48 mifaninana amin’ity “Mondial 2026” ity. Hisy ny “Pronostic Champion”, hahazoana PS 5 miisa roa, ho an’
ireo mpanjifa mahita ny valiny marina amin’izay ekipa ho tompondaka ho an’ity andiany faha-23 ity. Amin’ny alalan’ny fandefasana ny anaran’izay firenena handrombaka ny amboara miaraka amin’ny sarin’ny mpandray anjara sy ny tavoahangy Woco misy ny sary famantarana ilay firenena ny fandraisana anjara. Raha toa ka tsy mahita ilay tavoahangy misy izany ny mpanjifa dia afaka mampiasa ny Woco Madagascar ho toy ny “joker”. Haharitra hatramin’ny 3 jolay ny fandraisana ny valiny avy amin’ny mpanjifa.
Ankoatra izay, hisy ny “Pronostic Score” na vinavina amin’ny vokatra ho an’ny lalao famaranana. Manomboka eo amin’ny ampahavalon-dalana, efa misy ny loka ho zaraina amin’izany. Maka sary ireo ekipa roa miaraka amin’ny isa isarahana ny mpifaninana. Hahatratra 200 mahery ny loka hozaraina amin’ity lalao “Pronostic Woco” ity.

Tompondaka

Partager sur: