Olona roa voasambotra: Vehivavy naolana, voaroba 2 tapitrisa Ar

Notanana vonjimaika eny anivon’ny biraon’ny zandarimaria ny roa lahy ahina ho tompon’antoka tamin’ny fandrobana niharo fanolanana tao Antanamalaza, kaominina Masindray, distrikan’Antananarivo Avaradrano, afakomaly. Mpanao asa an-tselika, niditra an-keriny tao amin’ny tokantranon’ny vehivavy iray mipetra-drery, ireo tovolahy miisa roa, ny talata 9 jona lasa teo, tamin’ny 9 ora alina. Tsy nisy alaharo, nifandimby nanolana avy hatrany an’ilay ramatoa tompon-trano izy roa lahy ireo. Mody nilaza ho poritra anefa ny tompon-trano taorian’ny filan-dratsin’ireo mpanolana ka nanararaotra nandositra. Nosavasavain’ireo olon-dratsy ny trano ka norobainy ny lelavola mitetina 2 tapitrisa Ar. Nandositra izy ireo. Nametraka fitoriana eny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny tomponandraikitra. Voasambotra ireo nahavanon-doza. Tsy afa-nanda ny fiampangana azy ireo roa lahy tra-tehaka. Nentina natao fanadihadiana izy ireo ary hatolotra tsy ho ela eny anivon’ny fampanoavana.

Tsiferana R.

Partager sur: