Fampivelarana ny sain’ny zaza madinika : Nitondra fivoarana ny fametrahana ny espace Mandady

Telo taona no nametrahana ny espace Mandady. Tafiditra amin’ny fanaitairana ny vavahadin-tsain’ny zaza manomboka amin’ny fotoana mampandandy (8 na 9 volana) azy ka hatramin’ny 2 taona. Eo no mivoatra ny sainy.

Faritra efatra: Androy, Anosy, Atsimo Andre­fana ary Atsimo Atsi­nanana no efa nametrahana ny fandaharanasa fampivelarana ny sain’ny zaza, miaraka amin’ny Unicef.
Toerana manokana voaaro, madio, ahafahan’ny kilonga madinika milalao amin’ny kilalao namboarin’ny ray aman-dreny miaraka amin’ny akora misy ao an-trano (lamba, baoritra, tavoahangy plastika, taratasy…) ny espace.
Manampy ny reny hifototra amin’ny fikarakarana ny tokantrano ny fisian’ny toerana, satria misy olona manara-maso ny zanany. Ametrahana fitaovana fanasana tanana amin’ny savony avokoa ny espace satria mifampiankina ny fanjarian-tsakafo sy ny fahadiovana. Mila manasa tanana avokoa, araka izany, ny zaza sy ny mpikarakara vao miditra ao, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fanjarian-tsakafon’ny ONG Sahi, mpanatanteraka ny fandaharanasa eny anivon’ny fiarahamonina, Tolotsoa Geor­ges. Manana toerana mitovy amin’izay avokoa ny zana-tanàna tsirairay andraisana ny zaza ao aminy. Entanina koa ny ray aman-dreny hanokana toerana kely ao an-trano hanohizana ny ezaka entin’ny espace mandady.
Ny ONG Sahi no manentana ny isan-tokantrano hanangana ny espace sy manoro ny zavatra atao rehetra. Miasa amin’ny kaominina 23, ho an’ny faritra Androy, ny ONG Sahi. 700 ny fokontany voakasika, ahitana zana-tanàna 2 000 mahery eo ho eo. Manana espace mandady iraisana enina ny zana-tanàna iray.
“18 ny zaza karakarain’ny espace mandady, ao amin’ny fokontany Terabovo, kaominina Sihanamaro, distrikan’­ Ambovombe. Roa taona no napetraka ny toerana ary ny Groupe de soutien no misahana azy”, hoy ny lehibeny, Sophine Marie Olga. Ny ONG Sahi izay mahazo famatsiam-bola avy amin’ny Unicef. Indray mandeha isan-kerinandro no aterina ao amin’ny espace ny kilonga. Misy tombony ny zaza mandalo ao satria lasa matsilo saina kokoa ary maharaka tsara rehefa alefa any amin’ny akany fibeazana. Mahazo sakafo rahateo ny zaza rehetra rehefa milalao ao. Ampianarina mahandro sakafo maroloko rahateo ireo reny mitondra ny zanany ao.

Vonjy

Partager sur: