Fanavaozana lisi-pifidianana : Raikitra ny fanendrena mpanisa mpifidy

Manohy ny asany ny Ceni; eny, na misy aza, ohatra, ny antoko politika na fiarahamonina sivily mitaky hatrany ny handravana azy aloha. Tsy fantatra raha ho voatana amin’ny fikaonandoham-pirenena, amin’ny fikarakarana fifidianana ihany io rafitra io, na hiverina amin’ny minisiteran’ny Atitany izany. Amin’izao, an-dalana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy ny Ceni. Nanomboka omaly ny fanendrena ireo ho mpanisa mpifidy eny ifotony. Fantatra, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny Ceni rahateo, misy ny fananganana Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE). Tsy hifarana raha tsy amin’ny 20 jolay. Manana solontena amin’izany ny antoko politika sy ny fiarahamonina sivily. Eo koa ny avy amin’ny fokontany sy ny rantsamangaikan’ny Ceni. Miainga eny anivon’ny fokontany ny fanendrena, ary ny vaomieran’ny fifidianana eny amin’ny kaominina (CEC) no manao ny fankatoavana.
Fepetra takina amin’ny fanendren’ny Ceni miainga amin’ny tolo-kevitra avy amin’ ny antoko politika sy ny fiarahamonina sivily ary ny fokontany, araka izay ho solontenan’izy ireo avy ny hoe olona mipetraka ary mahalala tsara ny eo anivon’ny fokontany. Manaraka, mahay mamaky teny sy manoratra. Tsy latsak’izany ny fananana karapanondrom-pirenena. Farany, vo­nona ary maneho ny fahavononany hanatontosa ny asa aman’andraikiny fanisana mpifidy ao anatin’ny tsy fitanilana sy tsy fiandaniana eo an-toerana. Miankina amin’ny firafitry ny CLRE sy ny fomba fiasany no hahombiazan’ny fanisana mpifidy miainga eny ifotony amin’izao fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana izao. Eo ihany koa ny fahavitrahan’ny olom-pirenena, in­drindra ny fahatokisana ny fanisana mpifidy sy ny mpanisa mpifidy.

R. Nd.

Partager sur: