INDRAY MIJERY

Manentana ny vahoaka malagasy rehetra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hampitombo ny fitandremana amin’ny fanomanana sy fihinanana ny sakafo mandritra ny Asaramanitra. Tena ilaina ny fanamafisana hatrany ireo fepetra ara-pahadiovana sy ara-pahasalamana.

Raha misy soritraretina toy ny fivalanana, fandoavana, fahalemena, fahasarotana miaina na soritraretina tsy mahazatra aorian’ny fihinanana sakafo dia manatona avy hatrany eny amin’ny tobim-pahasalamana akaiky indrindra. Tsy miandry reraka be vao mamonjy dokotera ialana amin’ny fahasarotana.

Any amin’ireo fokontany sasany dia mahavatra manentana ny isan-tokantrano hanangan-tsaina ny sefo fokontany amin’izao fanamarihana ny niverenan’ny fahaleovantena izao. Mandrisika ny olona ny fanentanana ataon’ireny tomponandraikitra eny ifotony ireny sady fifamangiana no fifampitaizana.

Partager sur: