Variana nanao raharaha ny mpitaiza, nilalao herinaratra ka namoy ny ainy ny zaza vao herintaona sy roa volana, tao amin’ny fokontany Belambanana, Andoharanofotsy, distrikan’Atsimondrano.
Zava-doza! May vokatry ny herinaratra ny zaza herintaona sy roa volana tao Belambanana, kaominina Andoharanofotsy, Antananarivo Atsimondrano, afakomaly maraina tamin’ny 10 ora sy sasany. Tsy tao an-trano ny ray aman-drenin’io zaza io tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Ny andahin-dreniny, araka izany, no nandray an-tanana ny fanaraha-maso sy ny fitaizana ny zaza. «16 taona ilay ankizilahy ary taizan’izy mivady ray aman-drenin’ilay zaza niharan-doza», hoy ny fanazavana avy amin’ny zandarimaria nisahana ny fanadihadiana. Napetraka tao amin’ny efitrano iray ilay zaza, raha toa ka nanao raharaha ilay ankizilahy. Nilalao teo amin’ny faritry ny rindrina tampoka anefa ilay zaza. Nikitika ny tariby mitondra herinaratra ao anatin’ny faritry ny trano ka may. Niraikitra teo amin’ilay tariby ka ren’ilay nitaiza azy. Niezaka namonjy ity farany sady niantso vonjy tamin’ny manodidina.
Tandrevaka
Nialan’ny fianakaviana nenina teny anivon’ny toeram-pitsaboana ilay zaza voan’ny herinaratra saingy efa tsy nisy aina intsony tonga teo amin’ny mpitsabo. Tetsy ankilany, voan’ ny tanjaky ny herinaratra nandritra ny famonjena ilay zaza koa ilay ankizilahy nitaiza azy, araka ny loharanom-baovao. Na izany aza, tsy misy atahorana ny ainy. Ny renin’ilay zaza izay voalaza fa nandeha niantsena tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. “Mampidi-doza ny famelana irery ny zaza amin’ny toerana tsy azo antoka sy manakaiky herinaratra tahak’ity nitranga teny amin’ny kaominina Andoharanofotsy ity. Ilaina fanaraha-maso tsy tapaka ny zaza”, hoy ny tomponandraikitra amin’ny filaminana, hisorohana ny tranga toy izao.
Tsiferana R.




