Tsy tazana nandritra ny herinandro: Renim-pianakaviana hita faty tao an-tranony

Hita faty tao an-trano fonenany tany Antanjona, disitri­kan’i Fandriana, afakomaly, ny renim-pianakaviana manodidina ny 65 taona. Tsy hitan’ny mponina teny amin’ny ma­nodidina nivoaboaka ny trano intsony ity ramatoa ity efa ho herinandro izay, raha ny fanazavana voaray. Zafikeliny iray nirahina haka zavatra tao an-tranon’ity ramatoa ity no nahita ny faty niampatra tao an-trano. Nampandre ny mpiara-monina ity farany taorian’izay. Ireto farany indray no nampilaza ny tomponandraikitra sy ny mpitandro filaminana. Tonga nidina teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny polisim-pirenena avy any Fandriana. Tonga teny ihany koa ny mpitsabo nanao ny fizahana ny razana. Faty efa simba sy efa namoaka fofona no hita tao an-trano. Nahitana diam-pamaky teo amin’ny lohany, nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo ny razana. Izay rahateo no antony nahafaty azy, raha ny fanazavana voaray hatrany. Raha ny fanazavan’ny mpiara-monina, efa ho herinandro no tsy nisokatra ny trano ary tsy hita nivoaboaka ity ramatoa ity. Vono olona niniana natao ny tranga. Efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ny vono olona amin’izao fotoana izao. Mbola tsy fantatra ny tompon’antoka tamin’izao tranga izao.

Mino

Partager sur: