Biraon’ny Jirama voatafika : Vola 4 tapitrisa Ar norobain’ny jiolahy

Noraofin’ny olon-dratsy ny vola 4 tapitrisa Ar sy solosaina tao amin’ny toeram-pandoavam-bola ao amin’ny biraon’ny Jirama Toamasina, ny alin’ny alarobia 17 jona teo.

Solosaina miisa 5 fampiasan’ny mpiasan’ny Jira­ma sy vola mitetina 4 tapitrisa Ar norobain’ny olon-dratsy, tao amin’ny birao fandoavam-bola, ao amin’ny foiben’ny Jirama Ampasima­zava, Toamasina, afakomaly alina. Hiditra ny toeram-piasana vao maraina, nahatsikaritra fikorontanana tao amin’ny toeram-piasana ny mpiasa. Niantso avy hatrany ny mpi­am­bina ireo mpiasa ireo. Nosavaina ny vola tao amin’ny toeram-pitahirizana izany saingy efa tsy nisy na inona na inona intsony. « Fonds de caisse » an-tapitrisany izay hiasana maraina io tsy hita intsony io, araka ny angom-baovao. Mihoatra ny 4 tapitrisa Ar io vola io, raha ny fanazavana voaray. Nentin’ ireo tsy valahara avokoa ny solosaina miisa dimy teo amin’ny latabatra fiasan’ny mpandray olona, ny mpitantsoratra sy ny teknisianina.

Asan-jiolahy
Manahy ireo mpiasa eo anivon’io orinasa io fa olona efa mahafantatra tsara ny fomba fiasan’ny Jirama ireo nahavanon-doza. Niditra teo amin’ny varavarana lehibe tsy lavitry ny lalam-bahoaka, eo akaikin’ny Bazary, ireo mpandroba, hoy ny loharanom-baovao. Misy mpiambina avy amin’ny hery fiarovana roa samy hafa io toerana voaroba io. « Mpitandro filaminana sy orinasa tsy miankina iray », araka ny angom-baovao. Ankoatr’io, misy jiro « projecteur » maromaro manazava ny manodidina an’io orinasa misahana ny fandrindrana ny jiro sy rano any an-toerana io. Mampa­nontany tena ireo mpiasa ny nahafahan’ireo mpandroba na­nokatra tamin’ny alalan’ny fanalahidy ny toerana nisy ny vola.

Sajo

Partager sur: