Fanadiovana faobe : Hamerina ny fitiavana fahadiovana

Hotanterahina rahampitso ny “Fanadiovana faobe”. Hetsika atao manerana ny faritra 24, hanentanana ny isaky ny fokontany handray andraikitra sy hanadio ny manodidina azy. « Tanjona ny hiantohana ny fahasalamana sy ny fampandrosoana maharitra ho an’ny firenena. Hamerina ihany koa ny fitiavana ny fahadiovana ka tsy handoto ary tsy hanary fako etsy sy eroa », hoy ny minisitry ny Rano, fidiovana fanadiovana, Dr Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia, omaly. Nambarany fa ny 83% ny Malagasy no tsy manana fotodrafitrasam-pidiovana, 88% ireo tsy manana fitaovana sy tolotra fototra momba ny fidiovana ka any ambanivohitra avokoa ny 95% amin’izany. Sakana ho an’ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny minisitra, ny fako raha toa ka efa miditra amin’ny fanodinana izany ho lasa angovo ireo firenena matanjaka.
« Mila mifanome tanana isika ho an’ny tombontsoa iraisana satria tsy vitan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra irery ny fanadiovana », hoy ny filohan’ny Delegasiona manokana ny Tanànan’Antananarivo (PDS), Ralambomanana Fenoherintsoa. Notohizany fa ireo Vaomieran’ny fanadiovana isaky ny fokontany kosa no hanohy sy hiantoka ny asam-panadiovana maharitra.

Henintsoa

Partager sur: