Nifandona tetsy Andraharo ny moto miisa telo, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Maty tsy tra-drano, nandritra izany, ny tovolahy iray anisan’ny namily ny iray tamin’ireo kodiaran-droa. Tsy tana koa ny ain’ilay tovolahy iray izay nentina avy aoriana rehefa tonga teny amin’ny hopitaly.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andraharo, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly tamin’ny 1 ora maraina tany ho any. Niseho teo am-pitan’ny orinasa Star ny loza. Kodiaran-droa scooter miisa telo no nifandona teny an-toerana. Vokany, maty tsy tra-drano, nandritra izany, ny tovolahy 25 taona anisan’ny namily ny iray tamin’ireo kodiaran-droa. Potika sy vaky tanteraka ny lohany noho ny hamafin’ny dona nahazo azy. Nandrika nanerana ny arabe ny ra ka nitarika tamin’ny fahafatesany. Namoy ny ainy ihany koa ny tovolahy 20 taona izay nentina avy aoriany rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Fantatra fa tapaka ny tongony, raha ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, lehilahy roa izay samy namily ny kodiaran-droa roa hafa, naratra mafy ary mbola samy manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Raha ny fanazavana voaray, kodiaran-droa iray marika Kymco G6 avy any Ankazomanga no nifandona tamin’ny kodiaran-droa roa hafa. Avy any Ambohimanarina ireto farany izay nahitana kymo G5 sy GP.
Nifanenjika
Nandeha mafy ary nifanenjika ireo kodiaran-droa izay avy any Ambohimanarina, raha ny fanazavana voaray tamin’ireo olona nahita ny tranga. Tampoka, nifanena tamin’ny moto iray izay voalaza fa tsy nisy jiro izy ireo. Mafy ny fifandonana ka nitarika tamin’ny loza. Tombanana ho avy nisotro zava-pisotro mahamamo izy ireo satria mbola nahitana tavoahangina gold blanche ihany koa teny an-toerana nitrangan’ny loza. Marihina fa monina eny Ambohimanarina ilay tovolahy 20 taona namoy ny ainy. Efa manam-bady izy ary vao teraka kely ny vadiny, raha ny fanazavana voaray tamin’ny fianakaviany teny amin’ny HJRA, omaly. Vao nahavita fianarana sy manao fizàrana asa mahakasika ny lalam-piofanana “paramed” kosa ilay tovolahy 25 taona. Monina eny Andranomena ity farany. Naratra mafy ary samy tapa-tongotra kosa ireo lehilahy namily ireo kodiaran-droa roa hafa. Raha ny fanazavana voaray ihany, mpinamana izy roa lahy samy namoy ny ainy ireo. Mbola eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA avokoa ny razana. Hoentina eny amin’ny trano fonenany avokoa aorian’ny fizahana izany. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana taorian’ny tranga. Mitohy ny fanadihadiana.
Mino




