Fatim-behivavy hita : sady tsy nisy tanana intsony no lanin’ny alika

Tsy nisy namantarana azy intsony ilay vehivavy hita faty teny Ambohimanambola, ny alakamisy teo.
Efa lanin’ny alika ny lohany sy ny tratrany ary nibaribary ny taovany rehetra.

Tranga mampihorin-ko­di­tra. Nahitana fatim-behivavy iray manodidina ny 40 taona teo nosavoritahan’ny alika tao amin’ny sahan’Antsahala, fokontany Ambohimahatsinjo Ambohi­ma­na­m­bola. Afakomaly tokony ho tamin’ny 09 ora alina teo, nahazo antso avy tamin’ ny sefo fokontany ao an-toerana ny zandarimaria. Teo noho eo ihany, nidina nijery izany ny mpitandro filaminana sy ny dokotera avy ao Ambohimanambola. Tsy nisy namantarana azy intsony ilay vata-mangatsiaka. Lanin’ny biby ( mety ho amboa ) avokoa ny hodi-dohany sy ny nofo teo amin’ny tarehiny, efa tsy teo intsony koa ireo nifiny rehetra. Toy izay koa ny lelany, sofiny ary efa tsy nisy hoditra ny faritry ny lohany sy ny tendany. Tsy zaka eritreretina ny zava-nisy. Niharihary tanteraka ny taova anatin’’ity vehivavy maty ity saingy tsy nisy very izany. “Tsy teo intsony koa ny tanany havanana sy ny nofon-tsandriny havia”, hoy ny zandarimaria misahana ny famotorana. Notohizany tamin’izany fa tsy nisy diana zava-maranitra koa ny vatany.
Novonoina
Habibiana mahatsiravina ny natao an’ity vehivavy ity. Efa tsy nitafy intsony ny tapany ambon’ny vatany tamin’ny fotoana nahitana azy. Mbola teny aminy kosa ny pataloha sy kiraro nanaovany. Pataloha “jean” miloko manga antitra (bleu marine) sy «tennis vert armée» marika «Nike». Na­hi­tana volo niongotra avy ta­min’ny lohany koa tsy lavitra azy, sahabo teo amin’ny 20 metatra miala ny vatany. Tao koa ny tatinono miloko fotsy sy ambonin’akanjony nanaovany. «Teo amin’ny tany kisilasila tany ambony no nariana ny razana ka notaritin’ny ali­ka nidina. Ary tonga teny amin’ny tanin’anana teny ambany, toerana nahitana ny razana farany”, hoy hatrany ny zandary. Tsy nahitana ra niparitaka kosa teo amin’ny toerana nahitana azy noho ny rotsak’orana be loatra. “Mety ho nisy namono ity vehivavy ity”, hoy ny dokotera nijery ny zava-nisy. Tsy mbola voafaritra kosa ny mety ho an­ton’ity vono olona matsiravina ity. Na izany aza, tsy manakana ny famotorana izany. Taorian’io, noentina ao amin’ ny Tranompokonolona Ambo­hi­mahatsinjo ilay nofo mangatsiaka mandra-pahitana ny havany.

Henintsoa Hani

Partager sur: