Efa nesoriny ny voamaso… : tratra teny amin’ i Esopa ny lohan’ilay ankizilahy

Nampihoron-koditra! Voa­sam­botry ny miaramila avy ao amin’ny bataillon infanterie Toliara tao Befandriana, om­aly, ny lehilahy iray antsoina hoe i Esopa, raindahiny amin’ ny halatra taova. Nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo niaraka tamin’ny zandary tao An­dranovorindrangataky, kaomi­nina ambanivohitr’i Soahazo, distrikan’i Morombe no nahatrarana azy. Mbola tratra teny aminy ny lohan’ny ankizilahy iray 10 taona antsoina hoe Remiha monina ao An­dra­no­vorindrangataky. Nomarihin’ ny zandary fa manana fahasembanana ity ankizy ity. Nikasa handositra ity jiolahy mpangalatra taova ity ka nosamborin’ny fokonolona sady niharan’ny fitsaram-bahoaka. Nentin-katezerana ny olona ka nanampatra ny hatezerana taminy. Vokany, maty tsy tra-drano ity mpangalatra taova ity. Fantatra fa isan’ireo jiolahy efa nokarohina hatry ny ela i Esopa noho izy ao anatina tambajotra mpangalatra taova. Maro ireo olona efa nitondra faisana taminy noho ity trafikana taova ity. Nanamafy ny miaramila fa mitohy hatrany ny fanafoanana ny asan-dahalo indrindra ny fampanjakana ny fandriampahalemana ary ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ireo miaramila rehetra eny an-kianja sy ireo vahoaka antoka hahazoana vokatra tsara toy izao.

Jean Claude

Partager sur: