Jiolahy raindahiny: lavon’ny balan’ny UIR i Capsat sy i Feno

Maty voatifitry ny polisin’ny UIR teny Ambatomaro, ny sabotsy alina tamin’ny 9 ora, ny roa tamin’ireo jiolahy enina voasambotra dia i Capsat sy i Feno. Nanohitra ireo polisy izy roa lahy tamin’io fotoana io.

Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny polisin’ny UIR sy ny andian-jiolahy tarihin’i Capsat, 23 taona, teny Ambatomaro, ny sabotsy alina teo. Jiolahy ikoizana sy mpampihorohoro ary mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra ry zalahy ireto. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisy, nisy ny fitarainana sy fa­nangonan-tsonia nataon’ireo mponina eny Ambatomaro momba ny asa ratsy sy ny fa­nakorontanana ataon’ireto jiolahy ireto. Nahazo loharanom-baovao rahateo ny polisy ny sabotsy teo fa manomana fa­nafihana mitam-piadiana ao amina bar iray ao Ambato­ma­ro i Capsat sy ireo namany dimy. Nidina haingana teny an-toerana ny polisin’ny UIR avy ao amin’ny kaomisaria foibe. Nametraka ny vela-pandrika rehetra izy ireo mba hanatanterahana ny fisamborana ireo jiolahy izay tsy na­nampo na inona na inona ta­min’io fotoana io. Voamarina tokoa ny fisian’ireo jiolahy tarihin’i Capsat tao amin’io trano fisotroana io. Niroso tamin’ny fisamborana azy ireo ny polisy ka azo sambo-belona izy enin- dahy. Nisy ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny polisy ka nolazain’i Capsat sy i Feno fa any amin’ny jiolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe : Bolo no misy ny fitaovam- piadiana fampiasan’izy ireo.

Jiolahy efa nigadra teny Tsiafahy
Nentin’ny polisy nihazo ny trano fonenan’i Bolo ireto jiolahy ireto, kanjo nikasa haka an-keriny ny fitaovam-piadiana teny amin’ny polisy izy roa lahy ka voatifitra avy hatrany. Vokany, maty tsy tra-drano i Capsat sy i Feno. Voalazan’ny tatitra avy amin’ny polisy ha­trany fa efa nigadra teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy i Capsat, saingy niverina nanohy ny asa ratsiny indray taorian’ny fivoahany ny fonja. Ahi­tana diam-bala eo amin’ny tehezany an-kavanana, marika ahafantarana azy nandritra ny fifandonana tamin’ny polisin’ny Boriborintany fahatelo. Nentina anaovana fanadihadiana ao amin’ny Polisy Sut kosa ireo efa-dahy naman’izy roa lahy voatifitra. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity.

Jean Claude

Partager sur: