Kila hotohoton’ny afo ny trano lehibe miisa roa teny Namontana sy Mandrangombato, ny sabotsy 20 jona lasa teo. Niezaka nihatrana ara-potoana taorian’ny fahazoana loharanom-baovao ara-potoana ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina tamin’ireo fotoana nitrangan’ny fahamaizana ireo. Niredareda voalohany ny afo tao amin’ny tokantrano iray tao Mandrangombato II, ny harivan’ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 6 ora sy 50 minitra. Niainga avy amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra ny firehetana araka ny angom-baovao voarain’ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina tonga nijery ifotony ny tranga teny an-toerana. Tapaka nandritra ny fotoana naharitra ny herinaratra kanjo niverina tampoka, araka ny loharanom-baovao voaray. Niteraka firehetan’ny tariby mpitondra herinaratra anefa izany ka nitarika tamin’ny voina. Ankoatra io, kilan’ny afo koa ny trano lehibe iray tao amin’ny fokontany Namontana tsy lavitry ny CSBII, tamin’ny 10 ora alina. Naharay antso minitra vitsy taorian’ ny tranga ny mpamonjy voina ka nandefa solontena nifehy ny fiherehetana. Tsy nisy aina nafoy tamin’ireo haintrano miisa roa ireo. Tsiahivina, niteraka ny firehetana tamin’ireo tokantrano roa samihafa ireo ny fiverenan’ny herinaratra tampoko.
Tsiferana R.




