Fantina sy fintina

Hanasa ireo olo-manan-kaja eny Iavoloha ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika raha tsy misy ny fiovana ny zoma 26 jona izao. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena izany. Tsy mbola fantatra anefa aloha ireo antsipiriany momba izany sy ireo voaasa amin’izany fiaraha-misakafo, aorian’ny matso eny Mahamasina.
Nanao veloma ny Nonce Apôstôlika, ny Mgr Tomaz Gryza, eto Madagasikara ny Arsidiôsezin’ Antananarivo, ny herinandro teo. Nisy ny sorona Masina nanamarihana izany. Tsiahivina fa voatendry hiasa any Ouganda araka ny fanendren’ny papa Leon XIV ny tenany manomboka izao, araka ny fanapahan’ny any Vatikana ny 14 mey 2026 teo.
Nitsidika avy hatrany ny masoivohon’i Japon, eto amintsika, Tojima ny ambasadaoro vaovao an’i Madagasikara any Japon, Rasoanoro Félicité Marie. Voaresaka ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Tsiahivina vao notendrena tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 17 jona teo ity ambasadaoro malagasy ity.
Namaly ireo tsikera marobe momba ny fifidianana ireo solontena roa avy amin’ny Antenimiera ho eny amin’ny HCC ny depiote, Navalona Francky. Nambarany fa tao anatin’ny fanarahan-dalàna tanteraka ny nanatanterahana izany. «Ekena fa nihazakazahana saingy voahaja avokoa ny fepetra sy ny lalàna momba izany», hoy izy.

Partager sur: