Lakana rendrika an-dranomasina: renim-pianakaviana sy ny zanany iray niara-maty

Nitrangana faharendrehana lakana indray tany amin’ny lakandranon’i Pangalina, oma­ly maraina tamin’ny 4 ora maraina tany ho any. Niainga tany Betampona, tao amin’ny lakandron’ny Pangalanina, afakomaly atoandro io lakana io, hihazo an’i Vinanin’i Mangoro, raha ny fanazavana voaray. Nitondra mpandeha manodidina ny 20 isa izay nahitana ankizy sy zaza ny fito ary olon-dehibe ny 13, niampy mpanamory telo hafa. Ankoa­tra izay, niampy entana enina taonina, toy ny jirofo, kafe sy ny maro hafa ihany koa tao anatiny. Noho ny havesatr’ireo entana, vaky ny lakana ka nidiran’ny rano ary avy eo rendrika rehefa tonga tao Ambo­diharina, distrikan’i Mahanoro. Vokany, renim-pianakaviana iray sy ny zanany no niara-maty sempotry ny rano, raha ny fanazavana voaray hatrany. Olona avy any Tratra­marine, kaominina Ambodibo­nara, izy ireo. Avotra soa aman-tsara kosa ireo olona ambiny noho ny fiarahan’ny rehetra nientana nifamonjy. Efa nahitana fahavakisana io lakana io teny an-dalana noho ny vesatry ny entana, saingy mbola nanohy ny diany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, vantany vao nahazo antso mahakasika ny loza. Niezaka nanavotra ireo olona niharam-boina sy nampiakatra ireo entana rehetra lasan’ny rano ny rehetra. Efa eo am-pelantanan’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana ny tohin’ny fanadihadiana. Enta­nina hatrany ny mpanamory mba hitandrina sy hanamarina ny lakany, mba hisorohana ny tranga tahaka izao.

Mino

Partager sur: