Niakatra fampanaovana ny faran’ny herinandro teo, notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antanimora, ireo roa lahy sarona nanendaka teny Anosibe, ny alin’ny 14 jona teo. Mivezivezy eny amin’iny faritra iny amin’ny andro alina, mitonon-tena ho mpanao andrimasom-pokonolona, izy roa lahy, araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Mpiasa nirava alina no lasibatr’izy ireo tamin’ny alahady 14 jona. Niroso tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana. Nanatona azy roa lahy ny ekipan’ny polisy miasa avy eo anivon’ny Kaomisaria Mahamasina saingy notevatevain’izy ireo. Naneho tsy fanajana rahateo koa ireo olona voatondro ho nanao asa ratsy. Niroso tamin’ny fisamborana ny tomponandraikitra. Voamarina tokoa fa tsy andrimasom-pokonolona velively izy roa lahy. Natao fanadihadiana ary natolotra ny fampanoavana. Notazomina am-ponja miandry ny fitsarana azy.
Tsiferana R.




