Ambohidratrimo: tovovavy iray hita faty naolana sy nokendaina

Hita faty tetsy Antsahabe, fokontany Tsaramandroso-Na­montana, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, ny alahady tamin’ny 07 ora maraina teo, ny tovovavy iray 25 taona. Nampandre ny zandarimaria avy amin’ny zana-tobim-paritra Anosiala ny sefo fokontany vao nahita ny tranga. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana izy ireo niaraka tamin’ny mpitsabo, taorian’izay. Vatana mangatsiaka efa tsy nisy aina intsony no hita teo amin’ny 03 km avaratra andrefana miala ny biraon’ny zandary. Tsy misy lamba ny tapany ambany ary nahitana fatotra teo amin’ny tendany. Nahitana ra nivoaka ihany koa ny orona sy ny vavany. Nisy nanolana ity tovovavy ity ary avy eo nokendaina ka izay no nahafaty azy, raha ny nambaran’ny mpitsabo avy amin’ny CSB II Anosiala. Vinavinaina efa ho ora sivy tany ho any ny nahafaty azy, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tsy nisy nahafantatra azy ny mponina teny an-toerana. Tsy nahitana taratasy nanamarina izany koa teny amin’ny razana nandritra ny fizahan’ireo manam-pahefana. Nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly CHU Anosiala ny razana, mandra-piandry ny fianakaviany.

Mino

Partager sur: