Nanenjika akoho: lehilahy natelin’ny rano tetsy Ambohimanambola

Namoy ny aina natelin’ny rano ny tovolahy iray, teny akaikin’ny tetezana, kaominina Ambohimanambola, omaly maraina. Nanenjika akoho so­mary nanamorona ny renirano izy, raha ny voalaza, kanjo nisolifatra tampoka tany anaty rano. “Efa somary ma­moma­mo izy raha ny angom-baovao”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria miasa ao Ambo­himanambola. “Lali­na ny rano ka nilentika tao izy, tamin’ny 9 ora sy fahefany”, araka ny loharanom-baovao. Niezaka nikaroka sy nanavotra ilay olona natelin’ny rano ny sampana mpamonjy voina saingy nananosarotra ny famonjena. Tafa­ka­tra tao anatin’ny rano ity farany tamin’ny 10 ora sy sa­sany maraina. Sempotra tao ka tsy tana intsony ny ainy. Heverin’ny tomponandraikitra nanao fitiliana ny vatana mangatsiakany fa nahatelina rano be loatra izy ka nitarika tamin’ny famoizany aina. Mpi­asa amina hotely mpivarotra sakafo masaka izy io. “Tsy manam-bady aman-janaka izy fa ny rahalahiny no mponina tsy lavitra ety”, hoy ny zandary. Tonga nijery ny zava-nisy ny tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany sy ny mpitandro filaminana ary ny fianakavian’ny namoy ny ainy. Natolotra ireto farany ny nofo mangatsiaka avy eo.

Tsiferana R.

Partager sur: