Naharitra 5 andro ny hetsika “Med’s event” nataon’ny mpianatra ho mpitsabo teny Ankatso. Nofaranana tamin’ny fampisehoana rindrankira ara-pilazantsara sy hetsika maro samihafa izany, omaly. Anisan’ny nampiavaka izany ny fanomezan-danja ny kolontsaina sy ny sosialy. Tanjona ny fanamafisana sy fampisehoana amin’ny olon-drehetra fa miray hina ireo rehetra ao amin’ny fakiolite. Fotoana ihany koa niaraha-nifaly sy nifampizarana kolontsaina teo amin’ny mpandray anjara sy ny mpanatrika.
Natomboka tamin’ny fanaovana diabe niainga teny amin’ny Hjra Anosy hatreny Ankatso izany, ny 13 febroary lasa teo. Nahasarika olona maro ny hetsika tamin’ity taona ity. Nanomboka ny 2017 izany fa tapaka noho ny fisian’ny valan’aretina Covid-19, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny AEMHA (Association des Etudiants Médecine Humaine Antananarivo), Randriamanarivo Hasina.
Hetsika ara-kolontsaina maro
Maro ny fampisehoana nataon’izy ireo nandritra izany. Teo ny fanomezan-dra, ny fanentanana, ny filatroana, ny fanatanjahan-tena nataon’ny mpianatra, ny fifaninanana “question pour un docteur”. Natokana ho an’ireo mpianatra, mpampianatra, dokotera, mpandraharahara eo anivon’ny fakioliten’ny mpitsabo ny hetsika, araka ny nambarany hatrany. “Fa nisokatra ho an’ny olon-drehetra ny fanatrehana ny hetsika sy ny fanomezan-dra teny an-toerana”, hoy hatrany izy.
Nohamafisiny fa tsy voatery ny fitokonana sy fanakorontanana ihany no anehoana ny firaisan-kina ety amin’ny oniversiten’Antananarivo fa ny hetsika ara-kolontsaina sy sosialy toy izao ihany koa. Nofaranana amin’ny fety “After” ny hetsika tamin’ny omaly alina. HIditra amin’ny fanadinana izy ireo amin’ny herinandro.
Marihina fa andiany fahavalo ny hetsika. Niara-niasa amin’ny orinasa maro samihafa izy ireo nandritra izany. Anisan’izany ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny fikambanana mpanao asa soa sy ny maro hafa.
Mino (mpianatra asa)