Nilaza tsy hanaiky ny fanesorana ny kaomandin’ny kaompania ny zandarimariam-pirenena, ny fikambanan’ny Tangalamena ao Andilamena manoloana ny fihetsika ataon’ny tomponandraiki-panjakana ao an-toerana…
Nivoaka tao anatin’ny fanambarana nataon’ireo raiamandreny Tangalamena ao amin’ny distrikan’ Andilamena ny tsy faneken’izy ireo ny hanesorana ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena. “Tao anatin’ny telo taona nifanesy, nisy ny fandriampahalemana manerana ny distrikan’ Andilamena noho ny asa sy ezaka nataon’ny kaomandin’ny kaompania miaraka amin’ireo mpitandro filaminana eo ambany fibaikony”, hoy ireto Tangalamena ireto. Nohamafisin’izy ireo fa ankasitrahan’ny vahoaka manerana ny distrikan’ Andilamena ny fisian’ny fandriampahalemana sy ny fandraisana andraikitry ny kaomandin’ny kaompania. Noho izany, tsy ankasitrahan’ireto Tangalamena ireto ary melohiny ny fihetsika manohintohina izany fandriampahalemana izany. Toy ny fankahalana noho ny fikatsahana tombontsoa manokana. “Avelao hiasa am-pilaminana ny mpitandro filaminana”, hoy izy ireo. Naneho fankasitrahana ny kaomandin’ny kaompania sy ireo tomponandraikitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé ny fikambanan’ny raiamandreny ao Andilamena. Miandradra anareo mpitandro filaminana eo ambany fibaikoan’ny lehibe isan’ambaratonga mba hanao ny asanareo araka ny lalàna mba tsy hahavoahoso-potaka ny lehibe, araka ny fanazavan’izy ireo.
Jean Claude