Mateti-pitranga ny tranga famonoan-tena tato ho ato. Tanora vao erotrerony avokoa ny voasarik’izany amin’ny ankapobeny. Tovovavy, kilasy famaranana ao amin’ny Lycée iray ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahela, disitrikan’i Tanambao Manampontsy no namono tena, ny sabotsy tolakandro 20 jona lasa teo. Hita faty nihantona tamin’ny tady teny ambony hazo izy, tamin’io andro io. Vatana mangatsiaka efa tsy nisy aina intsony no hitan’ny fianakaviany sy ny fokonolona. Nampandre ny tomponandraikitra avy hatrany ny fokonolona vantany vao nahita izany. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana any an-toerana. Raha ny fanazavana voaray, resaka olana ara-pitiavana teo aminy sy ny olon-tiany no antony namonoany tena. Nandeha nipetraka sy nanohy fianarana tany amin’ity kaominina iray ity izy. Nisedra olana ara-pitiavana izy. Voalaza tamin’izany fa nampirafy azy tamin’ny tovovavy hafa ilay tovolahy olon-tiany ka tsy zakany ny nahita izany. Mbola nanohy ny fianarany foana anefa izy na dia teo aza izany, saingy nilentika lalina loatra tao am-pony ny olana ka nitarika azy tamin’ny famoizam-po, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Marihina fa tokony hiatrika ny adina ara-panatanjahantena, anisan’ny taranja iray amin’ny fanadinana bakalorea, ny alatsinainy teo ny tenany, raha ny fanazavana voaray. Efa eny anivon’ny fianakaviana ny razana taorian’ny fanadihadiana rehetra.
Sajo/ Mino




