Niakatra fampanoavana afakomaly, voatazona vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nisandoka ho zandary teny Tsiadana, boriborintany faharoa. Nitondra moto sady nanao fanamiana zandary mitondra tsipika roa io lehilahy io. Nifamaly tamin’ny mpitondra fiara iray teny an-toerana izy, ny 20 jona lasa teo. Nodakadakan’io lehilahy io anefa ny fiara. Nalainy ny fanalahidin’ny fiara. Tsy afa-nanao na inona na inona ilay tompony. Niantso mpitandro filaminana ity farany. Niroso tamin’ny fikarohana ilay lehilahy nahavanon-doza avy hatrany ny zandary avy eo anivon’ny tobim-paritra Tanà Ville. Voasambotra teny Ambatomaro, niaraka tamin’ny moto nentiny sy ilay fanamiana zandary, io olona io. Voamarina fa tsy mpitandro filaminana velively izy. Nisandoka andraikitra sady nampihatra herisetra tamin’olona. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany ka naiditra vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Tsiferana R.




