Fantina sy fintina

 Notoloran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny mariboninahitra ”Commandeur de l’Ordre nationale malagasy”, teny Anosy, ny 23 jona lasa teo, ny Nonce Apostolique, ny Mgr Tomas Grysa, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Nahazo izany koa ny masoivohon’i Afrika Atsimo teto Madagasikara, Sem Khazamula Lawrence Chabane. Noho ny fifandraisana amim-pirahalahiana sy fiaraha-miasa tsara teo amin’ny solontenan’i Vatican sy Afrika Atsimo izao fanomezana mariboninahitra izao.

 Anisan’ny nahabe adihevitra teo anivon’ny Antenimierampirenena tamin’ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR) 2026 ny momba ny famatsian-drano sy ny fampianarana. Io ny fanazavan’ny depiote voafidy tany Fianarantsoa I, Rajoelina Seth, teny Tsimbazaza, omaly. Zava-dehibe ary tokony himasoana ary heverina fa hizotra ny fanaraha-maso ny fampiasana izany tetibola izany.

 ”Tsy tokony hisy intsony izany fanenjehana izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Manjakandriana tamin’ny anaran’ny Fivoi, i Bariniaina Fidy, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny fanenjehana ny filohan’ny Fivoi, ny depiote Rajerison Antoine, amin’izao fotoana izao. Aleo isika hilamina ary andao hiatrika ny fampandrosoana. Fitiavana ho amin’ny fampandrosoana ny ao ambadiky ny fanehoan-kevitra rehetra.

Partager sur: