Indray mijery

Nanatanteraka atrikasa tany Fianarantsoa ny solombavambahoaka mpikambana ao amin’ny «Coa­lition parlementaire pour la vaccination» notarihan’ny filohan’ny Vaomieran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fandrindram-piterahana, Dr Rajaobelina Lova Herizo. Adisisika momba ny fampandehanana ny «Fonds na­tional pour la vaccination» mba ho tena rafitra iray afaka ampiasaina hanamora ny fividianana vaksiny eto Madagasikara no nodinihina nandritra izany. Hoentina eny anivon’ny governemanta ny fehin-kevitra tapaka, hanaovana laharam-pahamehana ny fandraisana anjaran’ny fanjakana amin’ny fividianana vaksiny. Anisan’ ny niatrika izany ny solontenan’ny minisiteran’ny Faha­salamana, ny Fitsarana, ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ary ny mpiara-miombon’antoka, toy ny Unicef, OMS ary ny firaisamonim-pirenena Hina.

 Dr Rasoamanana Radoniaina Andriantsiresy, mpampianatra mpikaroka, avy amin’ny ESPA, sady talen’ny Rafitra ara-informatika sy ny teknolojia vaovao eo amin’ny Mesupres, no nahazo niaraka tamin’ny ekipa nisy azy ny loka voalohany tamin’ny «Hackathon DIU E-Santé 2026», natao tany Abidjan, Côte d’Ivoire. Nahazo izany loka izany izy ireo noho ny famoronana vahaolana ara-teknolojia maranin-tsaina hanatsarana ny fanaraha-maso ny fitondrana vohoka sy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Manampy amin’ny fisorohana mialoha ny loza mety hitranga sy ny fanatsarana ny fikarakarana ara-pahasalamana ny voka-pikarohana natao.

Partager sur: