Fantina sy fintina

Nandefa telegrama fiarahabana sy firarian-tsoa ho an’ny vahoaka malagasy sy ny filohan’ny Fanavaozana noho ny fetin’ny 26 jona ny filohan’i Etazonia, i Donald Trump. Teo koa ny filohan’ny Federasionin’i Rosia, i Vladmir Poutine; ny filohan’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, i Xi Jinping; ny filohan’ny vondron’ny Nosy Kaomaoro, i Azai Assoumani; ny filohan’ny Tchad, i Mahamat Idriss Déby; ny mpanjakan’ny Royame-Uni de grande-Bretagne sy i Hande du Nord, i Charles III, sns.

Nisy ny fanavaon-tsonia fifanarahana roa teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny kaomorianina, i Mbae Mohamed, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, talohan’ny 26 jona lasa teo. Fifanarahana voalohany ny fanafoanana ny fitakiana “visa” ho an’ny pasipaoro diplaomatika sy amin’ny asa. Faharoa, ny fametrahana rafitra sy rindra ho amin’ny fifampidinihana politika sy diplaomatika eo amin’ny firenena roa tonta.

Vita teny amin’ny biraon’ny Samifin, Ambohijanaka, tamin’ny 24 jona lasa teo, ny famidram-pitantanana teo amin’ny tale jeneralin’ny Samifin teo aloha, Rajaonarison Mamitiana, izay voatendry ho Praiminisitra, andaniny; ankilany, ny tale jeneraly lefitra teo aloha, Razanamanana Haja Lalao. Nambaran’ny tale jeneraly vaovao fa mbola betsaka ny asa tokony hatao. Manantena ny Praiminisitra fa hankatoavin’ny depiote ny fanitsiana ny lalàna miady amin’ny famotsiam-bola.

Partager sur: