Kianja Barea Mahamasina: tsy afaka handray ny lalaon’ny Barea amin’ny septambra

Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, omaly, tetsy Maha­masina, fa tsy ho tratra amin’ny volana septambra ny asa fanamboarana ny Kianja Ba­rea Mahamasina, izay havadika ho bozaka safiotra. Midika izany fa tsy hatao eto an-toerana ny lalao hihaonan’ny Barea amin’i Tanzanie.
Tsiahivina fa tafiditra anatin’ny Fifanintsanana Can 2027 ity fihaonana ity.
Nilaza anefa ny minisitra fa efa miroso amin’ ny fanaovana tolo-bidy ny minisitera. Nomarihiny ihany koa fa ny tsenambaro-panjakana ihany no ahafahana miroso amin’ny fividianana bozaka, Efa mikarakara ny pitsopitson’izany ny minisitera izay tantaniny.
Nomarihiny hatrany fa ao anatin’ny telo volana eo no hahafahana miroso amin’ny fametrahana ny bozaka safiotra. Any amin’ny volana oktobra any vao mety afaka hanaovana andrana ny Kianja.
Nambarany fa mandritra io telo volana io, rehefa mandeha ny asa, hanafatra teknisianina anivon’ny Caf izy ireo hanao ny fitsirihana sy hijery miandalana ireo fepetra hahazoana ny fankatoavana ny Kianja faran’izay haingana.

F.R

Partager sur: