Tranon’ny filohan’ny Albinos : Nisy andian-jiolahy nikasa hanafika

Andian-jiolahy nikasa hanafika ny trano fonenan’ny filohan’ny fikambanan’ireo olona manana toe-tena varira, i Soja Fulgence, tany Maevatanàna, omaly maraina tokony ho tamin’ny 1 ora. Namoaka fanambarana mahakasika izany, tamin’ny tambajotran-tserasera, ny tenany, omaly. Nikasa hiditra an-keriny tao an-tranony ireo jiolahy. Nahatsikaritra izany ny olona tao an-trano ka nampandre ny mpitandro filaminana. Tsy niandry ela fa tonga haingana tany an-toerana izy ireo. Vaky nandositra ireo olon-dratsy taorian’izay. Nanao fanambarana maneho fiombonam-po sy fankaherezana azy ny eo anivon’ny Mpiahy an-drariny miaro ny zon’ny vahoaka, ny profesora Andrianaivotseheno Ravaka, omaly. Mankasitraka ireo mpitandro filaminana, izay namaly haingana ny antso vonjy ary manentana ny hanohizan’izy ireo ny fanadihadiana hentitra, hanasaziana ireo tompon’antoka ny profesora. Ankoatra izay, manameloka ny endrika fanitsakitsahana ny zon’olombelona, ny herisetra sy habibiana atao amin’ireo olona marefo ny Mpiahy an-drariny. Tsiahivina fa lehilahy varira 45 taona, maty notapahan-doha tany amin’ny fokontany Ankilimasy Amboragnabo, Ampanihy Andrefana, ny tapaky ny volana jona teo. Mbola tsy hita ihany koa ilay zaza 9 volana nisy naka ankeriny tany Betroka.

Mino

Partager sur: