Namono nahafaty ny vadiny : Maty voatifitra ilay maorisianina tompon’antoka

Maty voatifitry ny polisy ny sabotsy maraina teo, ilay lehilahy teratany maorisianina, 40 taona. Izay tompon’antoka namono nahafaty ny vadiny, 34 taona, tany amin’ny fokontany Antanambao, kaominina ambonivohitra Mananara Ava­ratra, io andro io ihany. Lasa nitsoaka ny tenany taorian’ny asa ratsiny. Nahazo angom-baovao anefa ny polisy ka nisambotra azy avy hatrany. Nanohitra izy rehefa nosamborina ka voatery nampiasa hery ireo mpitandro filaminana. Vokany, voatifitra izy ary maty noho ny ratra mafy nahazo azy. Nandritra ny fisavana azy, nahitana rongony tany anaty entana nentiny. Raha ny fanazavana voaray hatrany, efa matetika mamono vady ity lehilahy ity ka izao niafara tamin’ny vono olona feno habibiana izao.
Raha tsiahivina, novonoiny sy notsindrominy tamin’ny an­tsy ny vadiny, ny sabotsy alina, tokony ho tamin’ny 01 ora maraina tany ho any. Niady mivady izy ireo tamin’io fotoana io ka anton’izao vono olona izao. Tezitra mafy ity lehilahy ity ka nandray antsy ary notsindrominy tamin’izany ilay ramatoa vadiny. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny teo amin’ny lohany, ny tanany ary ny vatany. Niezaka niantso vonjy ilay ramatoa ka henon’ireo mpiara-monina. Vory lanona ny olona ka namonjy ilay niharan’ny vono nataom-badiny. Lasa nitsoaka ilay rangahy vantany vao nandre ireo mpifanolobodirindrina niditra. Nentina novonjena haingana tany amin’ny hopitaly ilay ramatoa saingy tsy tana ny ainy.
Nampilaza ny polisim-pirenena mahakasika ny zava-nitranga ireo mpiara-monina taorian’izay. Natao ny fampilazana fikarohana ny nahavanon-doza ary voasambotra ora vitsy taorian’izay ny tenany.

Mino

Partager sur: