Atsimo Atsinanana : voandara samy hafa amin’ny vokatra kafe

Hazo maniry miroborobo any amin’ny faritra Vatovavy, Fitovinany sy Atsimo Atsi­nanana ny Dara, ary ny voany atao hoe voandara. Mitovy amin’ny kafe ary ny anarany amin’ny teny vahiny rahateo “café sauvage“. Hotazana izy dia atapy ary azo sotroina toy ny kafe ihany, saingy samy hafa mihitsy ny voandara sy ny tena kafe. Misy mantsy ny miahiahy, na manely tsaho fa tsy azo sotroina, mahafaty, na mitovy amin’ny kafe efa mahazatra nefa hafa ny vidiny, mora kokoa.

Efa nahazoan-dalana ta­min’ny minisiteran’ny Fahasa­lamana ny fiotazana sy ny fi­trandrahana azy. Tanora mpandraharaha iray, Rabenan­drasana Christophe, nieritreritra ny hanodina azy dia hanondrana toy ny vokatra hafa. Voamarin’ny minisiteran’ny Fahasalamana fa tsy atahorana ny voandara. Tonga koa ny Fitaleavam-paritra misahana ny varotra naka ampahany kely alefa amin’ny laboratoara aty Antananarivo hohamarinina. Andrasana ny valiny.

Marihina fa efa voaloan’io mpandraharaha io koa ny tamberim-bidy ho an’ny faritra Vatovavy ny amin’ny famoahana ireo vokatra voandara 10 t voaangony. Manana taratasy fahazoan-dalana amin’ny fa­nangonam-bokatra ity mpandraharaha ity. Nataon’ny Fi­taleavam-paritry ny varotra Atsimo Atsinanana ihany koa izay fitsirihana taratasy fahazoan-dalana izay sy ny vokatra azo sao misy fifangaroany
amin’ny tena kafe. Ma­nom­boka misy mpandraharaha hafa manangona voandara, saingy ny tranga toy izao no mamono antoka sy mampiverin-dalana.

Ndrina

Partager sur: