Akon’ny fetim-pirenena 26 jona : Olona enina nikasa hamono tena

Enina ireo olona narary vokatry ny fikasana hamono tena nandritra ny roa andro fankalazana ny fetim-pirenena, 25 sy 26 jona teo, raha ny tatitra nataon’ny HJRA Ampefiloha, omaly. Nahitana lehilahy roa sy vehivavy roa ary ankizy roa. Telo ny olona maty teo anivon’ny hopitaly, efatra hafa maty avy any ivelany, raha ny tatitra hatrany. Iray maty teo anivon’ny sampandraharaha Vonjy aina, raha maty ivelan’ny hopitaly ny telo hafa. Olona roa hafa maty teo anivon’ny sampana fameloman’aina, ary iray hafa maty ivelan’ny hopitaly. Tetsy ankilany, 268 ireo tonga nanatona toeram-pitsaboana teny anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, nandritra ireo fety ireo.

Mino

Partager sur: